- Publicité -
jeudi, juin 26, 2025
AccueilFaits-DiversIlempona : Lozam-pifamoivoizana, olona telo maty

Ilempona : Lozam-pifamoivoizana, olona telo maty

Nisehoana lozam-pifamoivoizana, ny asabotsy hariva tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, tamin’ny lalam-pirenena faha-7. Vokatr’izany, olona telo no indray namoy ny ainy. Vehivavy ny roa ary zaza ny iray. Maro dia maro ihany koa no naratra. Samy nentina tany amin’ny hopitalin’Andranomadio Antsirabe izy ireo. Ny loharanom-baovaono nahalalana fa, avy namonjy fanateram-bodiondry ireto olona ireto. Fiara iray no nofana. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra izay antony nahatonga ny loza. Ireo olona maro nandalo dia samy nitantara fa, olona maromaro no efa nivalampatra tamin’ny arabe. Natao haingana ny famonjena azy ireo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser