- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Nirefodrefotra ny basy, olona roa no voalza fa maty

Fenoarivo : Nirefodrefotra ny basy, olona roa no voalza fa maty

Nivaraahontsana ireo mponinana teny Fenoarivo manodidina ny toerana antsoina hoe “Cassa grande”, tsy lavitra ny fiolahana mihazo an’Alakamisy miala avy eo Fenoarivo Antam-pontanana iny omaly hariva tokony tamin’ny 6 hariva teo. Nirefodrefotra ny basy poleta. Araka ny loharanom-baovao dia zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenooarivo no niditra an-tseehatra nanenjika andian’olona nahiana ho nanao fanafihana teny amin’ny manodidina teny ka nahatonga izany fifanenjehana sy fifampitifirana izany. Hatramin’ny fotoana sy ora nanoratanay ity vaovao ity dia   voalaza fa olona roa no lavo tamin’ireo voalaza fa jiolahy. Efa nisy ihany koa ny basy maherivaika kalachnikov azon’ny mpitandron’ny filaminana tamin’izy ireo. Efa nidina eny an-toerana ihany koa ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobimparitra Antananarivo-ville ka andrasana izay tena marina mikasika ity raharaha ity. Fa raha iverenana ny zava-nitranga dia nafana tokoa ny fifanenjehana tamin’ireo voalaza fa olon-dratsy sy ny zandary. Ireto farany izay hita fa tsy nanaiky hilavo lefona mihitsy.

Nangonin’i T.M

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici