Ny asabotsy teo, nandritra ny lalao famaranana nifanatrehan’ny Barea sy ny ekipan’ny nosy La Réunion no nisian’ilay fahafatesana tampoka. Tovolahy iray, 23 taona, no nijanona tampoka ny fony noho ny hafaliana be loatra rehefa maty ny « penalty » nitondra ny fandresen’ny Barea. Nihoraka mafy izy raha vao niditra tao anaty harato ny baolina ary nitolefika avy eo. Nifamonjena nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana, saingy teny an-dalana dia tapitra ny ainy. Nojeren’ny mpitsabo ihany ary teo no tena voamarina fa efa tsy nisy aina intsony izy ary tsy nisy azo natao intsony. Nentin’ny fianakaviany nody ny razana taorian’izay. Fanindroany izay no nisy fihetseham-po niteraka fahafatesana nandritra ny lalao nataon’ny ekipam-pirenena. Tsaroan’ny maro koa angamba ny nahazo ny solombavambahoaka Andrianarijaona nandritra ny fifanandrinan’ny Barea ka nahatafakatra azy teo amin’ny ampahefa-dalana tamin’ny CAN, ny jolay 2019. Teo am-pijerena baolina niaraka tamin’ny rehetra izy no nilaza ho tsy netinety noho ny hafaliana tamin’ity baolina manan-tantara ity. Fotoana fohy taorian’izay dia nijanona koa ny fony ary tsy tafaverina intsony ny ainy na nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana faran’izay haingana aza. Azo heverina ho maty noho ny fitiavan-tanidrazana ihany ireny olona namoy ny ainy noho ny fihetseham-po ireny. Matoa nijanona ny fon’izy ireo dia tena nentiny tamim-pitiavana ary nihoatra aza ny fanohanana ny ekipa notohanany, ekipam-pirenena.
D.R