- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireDisadisa ara-pianakaviana : Nokapainy tamin’ny antsibe ny tanan’ilay nifamaly taminy

Disadisa ara-pianakaviana : Nokapainy tamin’ny antsibe ny tanan’ilay nifamaly taminy

Loza tokoa no miseho rehefa ny entin’ny fo tezitra izay fa tsy ahafantarana havana intsony. Lehilahy iray tokoa mantsy no voatery nosamborin’ny pôlisy tao an-drenivohitr’i Menabe tao, noho ny resaka fikasàna hamono olona, izay tsy iza fa havany ihany. Izany, hoy hatrany ny vaovao dia noho ny resaka disadisam-pianakaviana nisy teo amin’ny roa tonta. Omaly tokony ho tamin’ny valo ora maraina no nosamborin’ny pôlisy ao Tsimahavaokely, ao amin’ny distrikan’i Morondava ity lehilahy 22 taona ity. Rehefa nisy mantsy ny fifamaliana teo amin’izy ireo, dia tsy nahatsindry fo intsony ny anao lahy ka nandray fibara, ka irony karazana antsibe irony ary nikapa tsy nisy fisalasalàna ny tanan’ity olona nifamaly taminy. Nandriaka ny rà, nikoropaka ny fianakaviana iray manontolo ary voatery niantsoana pôlisy mihitsy satria saika tsy hilamina velively ilay tovolahy raha tsy hanapitra tanteraka ny ain’ity olona nifamaly taminy. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy raha vao naharay ny antso vonjin’ireo ary nisambotra ity olona lian-drà ity. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy moa ity farany ho amin’ny famotorana azy. Ilay naratra kosa, efa novonjena malaky tany amin’ny toeram-pitsaboana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici