- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilÀ lireFiadanana Ambohidratrimo : Fasana roa indray vaky, razana ampolony very

Fiadanana Ambohidratrimo : Fasana roa indray vaky, razana ampolony very

Nanam-potoana tokoa ireo mpangalatra nandavaka ity varavaram-pasana ity hangalarana ireo taolambalo.

Miha-miverina tsikelikely indray ity resaka vaky fasana sy halatra taolam-paty ity. Omaly, nahazo antso ireo zandary avy eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ampangabe fa misy fasana vaky teny amin’ny fokontanin’Ambohitsaratelo, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo. Toerana an-tampon-tendrombohitra izy io, ary 11 kilaometatra monja miala ny biraon’ny zana-tobim-paritra. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana teny an-toerana ka hita tamin’izany fa fasana anankiroa be izao no indray novakian’ireo tsy mataho-tody. Razana teo amin’ny folo teo no voakorontana, ary ny valo tamin’ireo no nahalasàna taolambalo maromaro. Araka ny fampitam-baovao azo, tao amin’ny fasana voalohany, razana roa no tao, izay efa simba avokoa ka nakorontan’ireo tsy valahara fotsiny fa tsy nangalàny na inona na inona. Tamin’ny fasana faharoa, izay nahitàna razana valo no tena voa mafy. Saika voaroba avokoa, tsy nisy niangana ireo taolambalo rehetra tao. Tsy nisy afa-tsy taolan-dranjo  iray sisa navelan’ireo olon-dratsy, hoy hatrany ny vaovao. Marihana fa somary mihataka kely ny tananan’Ambohitsaratelo ireto fasany nisy nandroba ireto, sahabo ho telo kilaometatra miala ny tanàna. Tsy fantatra araka izany tamin’ny fotoana inona na oviana no nanaovan’ireo tsy valahara ny asa ratsiny. Olona sendra nandalo teny an-toerana no nahita ireto fasana roa voalavaka ka niantso avy hatrany ny fokonolona. Nampanantsoina avy hatrany ihany koa ireo tompom-pasana izay tonga teny an-toerana niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana ary niezaka nikarakara ireo sisa ambin-taolambalon’ireo havany, navelan’ireo olon-dratsy. Nandray fepetra ary nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana moa ireo zandary teny an-toerana, hikarohana izany nahavanon-doza. Hatreto dia mbola mipetraka hatrany ny fanontaniana mahakasika ity resaka vaky fasana sy halatra taolam-paty ity : inona no ao ambadika ary atao inona ireo taolam-paty ? Saingy hatreto moa ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana dia mijanona fotsiny amin’ny fahatratrarana ireo mpanao ratsy sy ireo « entany » fa tsy dia misy loatra niditra lalina tamin’izay.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici