Niharan-doza teny amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny ny fiaran’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Ihorombe, ny sabotsy maraina teo tokony ho tamin’ny 10 ora. Avy any Ihosy hiakatra any Fianarantsoa ity fiara ity no nivadika ambony ambany teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambalalova, kaominina Iarintseana, distrikan’Ambalavao. Telo tamin’ireo olona dimy tao anatiny no naratra ka isan’izany ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Ihorombe sy ny vadiny. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Saika loza tokoa ny zava-nitranga raha ny fitantaran’ity manamboninahitra ity, izay mbola marihina fa noho ny ratra nahazo azy dia manaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaly Fianarantsoa amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavany dia fiara “sprinter” iray nandeha mafy no nisongona taxi-brousse iray hafa teo anoloany ka saika nanitsy tany amin’ny fiaranay, izay tokony hifanena aminy. “Niezaka niala io “sprinter” io aho ka izay no nampivadika anay rehefa tafalatsaka tao anaty lakan-drano tety amin’ny sisin’ny arabe ny kodiaranay”. Potika, noho izany, ilay fiara tsy mataho-dalana.
Nirifatra nandositra
Rehefa nitranga io loza io dia tsy nijanona fa mbola nirifatra nanohy ny lalany ihany ilay “sprinter”. Avy hatrany moa dia nampandrenesina ireo mpitandro filaminana misahana ny fofamoivoizana teny amin’iny lalam-pirenena iny. Noho izany dia tsy lasa lavitra fa voasakan’ny polisy tao aloha tao ilay fiara nitsoaka. Nosamborina avy hatrany ilay mpamily ka nentina hatao fanadihadiana ao amin’ny kaomisarian’Ambalavao. Nanamafy moa ity talem-paritra ity fa tena an-tsirambina nataon’ity mpamily taxi-brousse ity mihitsy no nahatonga izao loza izao. Tsy fantatra na inona na inona no dia nahamaika azy fa tena nirimorimo tokoa izy nanejika ilay fiara teo anolony, hoy izy nanamafy.
T.M