Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana any amin’iny faritra Analanjirofo iny, hitondràna vahaolana amin’ny resaka tany any amin’iny faritra Analanjirofo iny. Ny alahady lasa teo, karatany miisa 2000 indray no nozaraina tao an-drenivohitry ny Faritra tao. « Isan’ny mbola manjaka be aty Analanjirofo ny resaka ady tany, Izay mameno ny 80 isan- jaton’ny raharaha ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Fenoarivo atsinanana. Miezaka ny mitondra vahaolana ho amin’ny fanalefahana izany ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fanampiana ny vahoaka hanoratra ny taniny amin’ny anarany » hoy ny fanazavana azo. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ity lanonana fizaràna karatany ity ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Nanatrika ny lanonana ihany koa ny Goverinoran’ny faritra Dr Marcellin Randriamanantena, niaraka tamin’ireo olom-boafidy sy ny ireo olom-boantendry isan’ambaratongany tany an-toerana. Marihana fa tsy mijanona hatreo amin’ireo roa arivo isa nozaraina ireo moa izany fanolorana karatany izany fa mbola hitohy hatrany, hiarahana amin’ny ministera tompon’andraikitra sy ny ireo mpiara-miombon’antoka aminy, hoy hatrany ny vaovao. Ho an’ireo olona te hisitraka izany karatany izany dia nanentana ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny mba hanatona avy hatrany ireo biraon’ny fananan-tany akaiky azy indrindra.
m.L