Nihazakazaka be ny raharaha tao anatin’ny 24 ora rehefa navoakan’ilay artista ny fifampiresahana izay feno fandrahonana azy. Navoakany teo amin’ny tambajotra sosialy izany ary vetivety dia nanintona ny sain’ny olona. Tsy vitan’izay aza fa nipoitra tsikelikely koa ireo olona efa niharan’ny toa izany ary nitaraina noho ny nataon’ilay filoha tale jeneraly hafahafa. Voalohany dia milaza ho manana orinasa maro any ivelany izy. Efa tamin’ny taona 2016 tany no nisy nitaraina ho voaolokony amin’ny fampanantenana hiasa any Canada sy any Amerika. Kinanjo nalainy fotsiny ny vola. Ankehitriny indray ilay PDG dia milaza fa manana orinasa mpikarakara seho an-tsehatra any Amerika ary ireny artista goavana any amin’io firenena io no mifanaraka aminy, toa an-dry Beyoncé. Mazava hoazy fa resaka maniditsidina avokoa izany rehetra izany satria ny tenany aza dia tsy mihetsika eto amin’ny nosy. Eto indray dia manjono artista sasany no ataony. Isan’izany ny fampanantenana fifanarahana hanao fampisehoana any ivelany. Rehefa tsy mandroso firy ny resaka satria manomboka tsy maharesy lahatra ny fombany, tezitra amin’izay ny anao lahy ary lasa manambany sy mandrahona. Tazominy hatrany fa filoha tale jeneraly izy ary manam-bola be ary mahavita mibaiko ny mpitandro ny filaminana ka tsy azo atao na inona na inona. Nisafoaka hatramin’ny zandary izay nivoaka tamin’ny fahanginany ka niditra an-tsehatra tamin’ny tambajotra sosialy. Niezaka namaky resaka tamin’i Pdg koa ary nahazo valy boraingina. Ny tapakandro hariva ary omaly dia efa nandeha ny fitadiavan’ny mpitandro ny filaminana ny mahakasika ilay olona mba hahafahana manatontosa ny fisamborana azy. Torak’izany koa ny fanasàna ny olona mba hametraka fitoriana eny anivon’ny zandarimaria etsy Fiadanana, ho an’izay efa niharan’ny toetra tsy mendrika na koa fisolokiana. Ilay Pdg raha araka ny fantatra dia eo amin’ny facebook ihany no Pdg ary eo koa no mampiasa ny maha-izy azy. Lasa nizotra nankany amin’ity tranga ity indray ny sain’ny maro omaly ary betsaka ny nanara-maso ny fivoaran’ny raharaha izay tena nihazakazaka tokoa tao anatin’ny tapakandro monja. Nisy indray ny nijoro vavolombelona ary nilaza fa olona tsy salama saina izy. Isan’izany ireo nilaza ho mpiara-mianatra taminy taloha. Ho an’ny mpanara-baovao maro anefa dia tsy naharesy lahatra izany fa endrika iray hamonoana afo fotsiny. Tato ho ato, eny amin’ny tambajotra sosialy indray ny tena endrika fisian’ny fifanenjehana maro. Mitsipona dosie efo fotsiny sisa ny mpitandro ny filaminana miandraikitra ny raharaha momba ny heloka amin’ny tranonkala. Io koa dia mbola olana iray hafa satria lasa misy ifandraisany betsaka amin’ny raharaha politika mafana ka izay mafana fo ka mihoatra ny voasoratra dia isan’ny voatsipona. Na izany aza aloha, ny an’ilay Pdg hafahafa dia feno tanteraka ny fepetra mifanaraka amin’ny lalàna misahana ny heloka amin’ny tranonkala ny amin’ny hanenjehana azy. Io farany izay mbola nisintona lakolosy ny mpisambotra azy ihany omaly fa mbola maka aina ao amin’ny hotely lehibe etsy Antaninarenina izy omaly ka any no alaina ho an’izay sahy…
D.R