Tanora iray no miady aman’aina ary tsy mbola mahatsiaro tena hatramin’ny omaly ka tazomina ao amin’ny hopitaly Befelatanana mba hamonjena azy. Voaendaka izy io ary niharan’ny herisetran’ireo mpanao ratsy afak’omaly alina. Tsy mbola nisy olona nijery koa izy, satria inoana fa tsy fantatr’ireo akory izay nanjo azy. Tsy nisy taratasy namantarana azy rahateo teny aminy hany ka ny tambajotra sosialy no nampiasaina mba hanaparitahana ny sariny mba hampandrenesana izay mety ho olona mahafantatra azy. Mirongatra indray ny mpanendaka eto an-drenivohitra indrindra raha vao maizina ny andro. Ny vanim-potoana toy izao rahateo dia tena tsy mifidy harapaka izy ireo mba hoentina any amin’ny famadihana. Betsaka ihany izay lavo na azo sambo-belona izay fa tsy mety maha-fay ny mpanendaka eto Antananarivo. Indraindray dia mahatonga saina sao mba kolon-tsaina ny fanendahana, toy ny asan-dahalo any amin’ny faritra sasany ohatra. Tsy ahoan’ireo olon-dratsy ny miditra etsy Antanimora ary sokajian’izy ireo ho fialan-tsasatra aza mba hanamafisana saina sy hanomanana bebe kokoa ny hoavy. Izy ireo rahateo koa dia tsy mijanona ela eny, toy ny hoe misy mpiaro ka lasa sarintsariny fotsiny ny fidirana am-ponja. Ny hany mba nampidina ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana teto an-drenivohitra dia tamin’ny vanim-potoana niroboroboan’ny orinasa afaka haba. Teo dia mba nanana asa ny maro. Na dia tsy betsaka karama aza dia nahatsiaro ho toy ny olombelona rehetra, mifoha maraina mba hamonjy toeram-piasàna ary manana ny haja sy voninahiny ny maro. Vao nitranga anefa ny zava-nisy nifandimby izay nampikatona ny betsaka tamin’ireny orinasa ireny dia nirongatra indray ny varotra antsisin-dàlana ary nifanandrify tamin’izay ny fanendahana isan-karazany. Tsy nijanona intsony izany mandraka androany. Betsaka ny efa voasambotra ary betsaka koa ny maty voatifitra fa tsy mahasakana ny mpanendaka hanohy ny asaratsiny izany. Ny tena olana aza dia ny fampiasan’ireo sabatra rehefa manatontosa sinto-mahery. Io koa dia tsy misy lalàna mifehy ny fanamboarana zava-maranitra hany ka afaka mahazo izany izay mila. Saika misy mpanao vy isaky ny kartie ary tsy mila fahazoana alàlana manokana ny fanamboarana antsy lava lela sy sabatra. Ireny anefa no tena ampiasain’ny jiolahy. Izany rehetra izany mifangaro no mahatonga ny fanendahana etsy sy eroa. Indrindra koa raha vao nirongatra ny zava-mahadomelina toa ny « rôrô ».
D.R