- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Jiolahy fito voasambotry ny zandary

Ambohimangakely : Jiolahy fito voasambotry ny zandary

Nahavita ezaka lehibe ny zandary avy ao Ambohimangakely tamin’ny faran’ny heriandro teo. Jiolahy miisa fito no voasambotra tamin’izany.  Ny enina amin’izy ireo dia voarohirohy noho ny asa fanendahana amin’iny faritra Mahazo, Soamanandrariny ary Ambohimahitsy iny, ny iray kosa dia tratra am-bodiondry nandritra ny fanafihana nataony tao Ambohimahitsy ny alin’ny alahady farany teo. Ny asabotsy hifoha alahady teo dia nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimangakely fa misy olona manendaka eny Mahazo. Zavatra tsy dia vaovao izany raha ny asa fanendahana sy fandrobana eny an-toerana no lazaina. Raha vao nahazo vaovao ny mpitandro filaminana dia nandeha teny an-toerana. Mbola sakoraka be tamin’izany.  Tovolohy iray no voasambotra tamin’izany. Ity farany kosa no nanondro ireo namany, ary nahafahana nisambotra ireo dimilahy hafa ny alatsinainy 10 novambra 2014 teo. Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo dia niaky ny heloka vitany ireto jiolahy mpanendaka ireto.

Raha ny momba ilay jiolahy mpamaky trano indray dia ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo izy no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny. Tokantrano iray tao Ambohimahitsy no lasibatry ny jiolahy tamin’izay. Noho ny ezaka nataon’ireo fokonolona sy ny zandarimaria no nahatratrara ity jiolahy ity. Roalahy izy ireo no niara-nanatanteraka ilay fanafihana, fa afa-nandositra ilay namany, ary mbola karohina hatramin’izao.

Atolotra ny Fampanoavana anio talata ireto olona ireto.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser