- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Polisy nazeran’ny moto, maty tsy tra-drano

Ihosy : Polisy nazeran’ny moto, maty tsy tra-drano

Polisy iray amperinasa nitondra moto nandeha mafy, tsy nahatana ny familiany ka nifatratra teny amin’ny andry vy ipetrahana takelaby an-tsisin-dalana (panneau publicitaire), no maty tsy tradrano tany Ranohira Ihosy, ny faramparan’ny herinandro iny. Mafy ny fianjerany ka voadona mafy teo amin’ny tratrany izy (nisy tapaka nahatsindrona ny fony) ary tapaka ihany koa ny tanany. Taorian’ny loza dia nentina novonjena haingana teny amin’ny hopitaly ity mpitandro filaminana ity, saingy tsy nisy aina intsony. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia nisy tsy fahatomombanana ny moto nentiny ka niteraka ny loza, satria niraikitra ny familiana sy ny lafiny mekanika mampihodina ilay kodiarana.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser