- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomanelatra : Jiolahy mpamaky trano sy fiangonana saron’ny zandary

Andranomanelatra : Jiolahy mpamaky trano sy fiangonana saron’ny zandary

Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andranomanelatra ny andian-jioalahy nampihorohoro ny mponina tamin’ny resaka vaky trano.

Sesilany ny vaky trano tao amin’ny kaominina Andranomanelatra nandritra ny fotoana maromaro lasa izay. Tokantrano maro no niharan’izany ary isan’ny voaroba tamin’ny fiandohan’ny volana novambra teo ny fiangonana FJKM ao Andranomanelatra. Manao latsak’alina ireo  jiolahy. Novakiany  ny fiangonana ary nobaitainy avokoa rehefa entana. Hatairana ny an’ny pasitera raha handeha hampivavaka maraina nahita ny fiangonana efa babangaona. Ankoatra izay dia isan’ny norobain’ireo olon-dratsy ihany koa ny biraom-pokontany, ary  tokontrano miisa 5 no efa nahazoana fitarainana taorian’izany. Niroso tamin’ny fisavana trano ny zandary taorian’ny fanadihadihana rehefa nahazo ny fanampim-baovao sy ny olona ahiahiana. Vokany, olona 4 no voasambotra ary entana maro be no  mbola tratra niaraka tamin’izy ireo. Nisy vehivavy tamin’ireo olon-dratsy  ary  mpiray tampo ny roa tamin’izy ireo. Mpandray entana hatalatra kosa ny iray, ary volaza fa haondrana any Antananarivo ny entana azo, ankoatra ny efa lafo eto Antsirabe.  Mbola misy naman’ireo jiolahy karohina amin’izao fotoana ary mitohy hatrany ny fanadihadihana. Efa manakaiky ny faran’ny taona ary miditra amin’ny telo volana fahefatra farany izao ka fotoana mampirongatra ny vaky trano sy halabotry, ka tokony ho mailo sy hitandrina ny rehetra. Nanamafy ny fiaraha-miasa sy fampandrenesana haingana  ny manampahefana  akaiky hatrany ny   ltn Lovasoa, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny  vondrontom-pileovana eto Vakinankaratra raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety nandritra ny fidinana teny ifotony nijery ny zava misy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser