Efa nikasa haka olona hafa indray ireto andian-dahalo no nifanehatra tamin’ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana. Aina roa no nafoy tamin’ireo malaso, raha tsy nisy voakitika ireo mpitandro filaminana.
Ny alatsinainy lasa teo, nahazo angom-baovao ny teo anivon’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Andriamena, ny amin’ny fisiana andian’olona hafahafa fihetsika, nivorivory tao amin’ny kijàna iray teo amin’ny toerana antsoiona hoe Salama, ao amn’ny kaominina Keliloha, distrikan’i Tsaratànana. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto farany, izay notarihin’ny lefitry ny kaomandin’izany vondron-tobim-paritra izany. Araka ny fampitam-baovao dia ankevitry ny efa niandry fotsiny ny filatsahan’ireto mpitandro filaminana ireto, ireo olon-dratsy ary niandry kendry tohana azy ireo, teny an-dalana. Soa ihany anefa, noho ny fahaiza-manaon’iretsy voalohany dia afaka tao anatin’izany ireto farany, tao anatin’ny fifampitifirana. Voalazan’ny vaovao hatrany mantsy fa tonga dia nirarakopana ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy raha vao nahatazana fotsiny ireto mpitandro filaminana, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy niaraka taminy izy ireo. Voatery niaro tena ary namaly tifitra ihany koa ireo teo ankilany. Nisy roa tamin’ireto mpifanandrina tamin’izy ireo no hita lavo voan’ny bala raha nandositra kosa, raha vao nahatsikaritra ny fahalavoan’ireto namany ireo malaso, efa niandry ireo mpitandro filaminana.
Tamin’ny fitsirihana nataon’ireo zandary no nahafantarana fa isan’ireo mpaka an-keriny hikoizana tany amin’iny faritra iny ireto namoy ny ainy ireto. Izany Juliam sy Manampy izany ny anaran’izy ireo, raha ny filazan’ireo nahafantatra azy. Izy roa ireto, raha ny filazan’ireo olona efa nalain’izy ireo an-keriny tao Ambodronono Ambakireny, ny 07 aogositra lasa teo, no isan’ireo olon-dratsy nitondra azy ireo. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia efa niomankomana ny haka olona indray ireto farany, saingy soa ihany fa tonga ara-potoana ireo zandary.
Niakatra izay tsy izy tokoa ity resaka fakàna an-keriny eny ambanivohitra ity tato ho ato, tany amin’iny faritra iny sy ny tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, izay mifanila vodirindrina ihany. Efa manao ny ainy tsy ho zavatra ireo zandary ary efa mampitandrina sahady ireo mieritreritra ny hiroso amin’izany asa ratsy izany fa tsy hitsitsy izy ireo. Mbola mitohy moa ny hazalambo any an-toerana.
m.L