Telo no indray maty ary am-polony maro no naiditra hopitaly manaraka fitsaboana eto Antsirabe, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ilempona, ny harivan’ny sabotsy lasa teo.
Fianakaviana iray avokoa no tao anatin’ity fiara niharam-boina ity, avy nangata-bodiondry tao Ambatondradama Faratsiho, ary hamonjy fodiana any Antananarivo, ireto fianakaviana izao niharan-doza izao. Nambaran’ireo fianakaviana niharan-boina fa nandeha mafy tokoa ny fiara. Teo amin’ny tanàna antsoina hoe Ambilona, 5km tsy hidirana an’Ilempona teo ho eo, dia nivilivily be ny fiara ary toa ireny mitsingevaeva ireny. Fantatr’ilay mpamily fa tsy maintsy hivarina ny fiara nentiny ka nitsambikina teny am-pandehanana izy, hoy Rijanianina Andrianirina, iray tamin’ireo niharam-boina. Tany an-tanimbary no nivarina ny fiara. Nifamonjy ireo fianakaviana naharin-tena, niezaka nitondra ireo naratra taty Antsirabe. Tsy tana intsony anefa ny ain’ny roa vavy tamin’izy ireo. Fantatra fa mpianaka ireto namoy ny ainy ireto, ary zaza 5 taona koa no efa tsy nisy aina intsony tonga tao amin’ny hopitaly. Nisy tamin’ireo fianakaviana no nahita ny nandosiran’ilay mpamily, ary hatramin’izao ora anoratana izao dia voalaza fa mbola tsy hita popoka io mpamily io. Nambaran’ireo fianakaviana hatrany fa fiara Sprinter manao fitanteram-bahoaka eny Ivato no nofain’izy ireo.
Fantatra fa tsy naninona kosa ilay tovovavy vao avy nangatahina,ary tratra madinika kosa no nahazo ilay lehilahy nangata-bady. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana ary misokatra ny fanadihadihana.
Andry N.