- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Faty nafenina tao anaty fanaka

Toamasina : Faty nafenina tao anaty fanaka

Novonoiny ho faty ny vady andefimandriny ary nafeniny tao anaty « armoire » ny razana. Izany ny heloka bevava izay nitranga tany amin’ny fokontanin’Ambalakisoa, eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Notateriny tamin’ny saretikely izany avy eo mba hanaronana ny vonoan’olona nataony. Toa ireny miasa mitatitra entana ireny angamba ny tao an-tsainy. Saingy nanintona ny olona hatrany izany satria nisy marika hafahafa izay nisintona ny sain’ireo nahita. Nosamborin’ny olona ilay rangahy ary nantsoina ny mpitandro ny filaminana. Rehefa natao tokoa ny fisavàna ny fanaka teo ambonin’ny sarety dia akory ny hagagan’ny maro fa fatim-behivavy ny tao anatiny. Tsy vitan’izany fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana satria notapatapahina ilay vatana mangatsiaka. Ny rà izay nivoaka tao anatin’ilay fanaka rahateo ka niraraka tamin’ny làlana izay nandehanan’ilay kalesa no nanaitra ny olona. Tsy afa-niala intsony ilay rangahy ary nilaza ny marina ary nanazava fa saika haleviny an-tsokosoko io razana io. Tezitra ny olona ary saika raikitra ny fikasihan-tanana ilay nahavanon-doza, soa ihany anefa fa teo ny polisy ary nanao ny asany naka avy hatrany ilay olon-dratsy teo an-toerana mba hatao fanadihadiana any amin’ny biraony. Inona ny zava-nitranga ka nahatonga ity famonoana ho faty ny vady ity? Mitady ho lasa mateti-pitranga ny toa izany. Mbola tadidin’ny maro ilay zava-nisy tao Ambohimandroso ny tapa-bolana lasa teo. Tsy inona izany fa ny fahitàna ramatoa sy ny zanany lahikely izay maty tao an-tranony. Ilay renim-pianakaviana notsatohana antsy teo amin’ny tendany ary koa notontaina vato ny lohany. Ny zanany lahikely izay vao telo taona sy tapany kosa nokendaina tamin’ny lamba ary nivoaka mihitsy ny lelany tamin’ny fotoana nahitàna ny faty. Rehefa nandeha ny fanadihadian’ny zandary dia niantefa tany amin’ny vadin’io ramatoa io ny fanahiana voalohany. Nosamborina io farany sy ny lehilahy roa izay mpiasa eo anivon’io tokantrano io. Hatreto dia ilay raim-pianakaviana no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny vady aman-janany. Nidoboka am-ponja izy mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna. Inona ny mahatonga ny olona mamono mahafaty vady? Mety ho manana ny heviny kokoa ny mpandinika fiarahamonina ary manana ny soso-keviny mba tsy hiverimberenan’izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici