- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefy : Tokantrano anankiroa notongavan’ny jiolahy

Ampefy : Tokantrano anankiroa notongavan’ny jiolahy

Tsy lasa lavitra dia efa voahodidina ireto olon-dratsy. Ny iray tratra, ny hafa tafaporitsaka.

Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo, nihorohoro tanteraka ny mponina tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankaditehana, ao amin’ny fokontany Avarabohitra, kaominina Ampefy, distrikan’Analavory. Andian-jiolahy maromaro, nirongo zava-maranitra no tonga nanafika ity tanàna ity, nanakotaba ny rehetra tamin’ny alalan’ny feon-kiririoka sy horakoraka. Mazava ho azy fa noho ny tahotra dia tsy nisy sahy nivoaka ny mponina ary nivalaketraka niandry izay zava-nisy. Tamin’io fotoana io, araka ny angom-baovao azo, dia tokantrano anankiroa tao an-toerana no nidiran’ireto olon-dratsy. Ny iray, araka ny fampitam-baovao, dia nahazoan’izy ireo vola manodidina ny dimy alina sy efatra hetsy teo, niaraka tamin’ny finday telo. Ny faharoa kosa, nahazoan’izy ireo entam-barotra maromaro sy zava-pisotro. Nisy tamin’ireo mponina ihany anefa no nampandre avy hatrany zandary vantany vao tonga ireto dahalo ireto. Nandray an-tanana avy hatrany raharaha ary tonga teny an-toerana tao anatin’ny fotoana fohy kosa ireo zandary. Raikitra ny fifanenjehana. Efa teo am-pitsoahana moa ry zalahy mpanafika tamin’io fotoana io. Tsy lasa lavitra, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, dia voasambotra ny iray tamin’ireo mpanafika, izay mbola nahitàna ilay finday sy zava-pisotro avy nangalarina teny aminy. Mbola eo am-panaovana hazalambo ireo tafatsoaka ny zandary any an-toerana amin’izao. Ity tratra ity kosa, efa nentina nihazo ny birao, notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici