- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversVohipeno : Tifi-basy, trano may

Vohipeno : Tifi-basy, trano may

Nisahotaka ny tao an-tampon-tanànan’i Vohipeno omaly. Amin’ny fotoana anoratana aza dia mbola mirefodrefotra ny basy. Ny anton’izany dia voatery manaparitaka olona ny mpitandro ny filaminana. Mikasa ny hanao fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray izay namono vady ireo olona marobe. Niditra an-tsehatra anefa ny mpitandro ny filaminana mba hialàna amin’izany. Noraisin’ny olona ho fiarovana ny nahavanon-doza izany fepetra noraisina hiadivana amin’ny fitsaram-bahoaka izany. Teo no raikitra ny sahotaka. Tonga hatramin’ny fandorana tranon’olona sy tora-bato ny zava-nisy omaly tolakandro sy hariva. Voatery nampiasa hery ny mpitandro ny filaminana ary nirefodrefotra ny basy. Arahina ny tohin’ny raharaha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici