Mitam-basy, manao fanamiana zandary ary miaraka matetika amin’ny zandary amin’izay fidinana an-tsehatra ataon’ireo. Etsy andanin’izany, manana karatra maha mpanolontsaina manokana ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ity teratany Belge ity. Niparitaka ny momba azy rehefa nisy olona izay nilaza ho nianjadian’ny tsy rariny izay nataony. Izany dia mahakasika ny fitaterana kisoa tamin’ny kamiao teo Mangarano. Nogiazany ny fiara ary notazomina niaraka tamin’ilay kisoa nentiny tao amin’ny borigadin’ny zandarimaria. Tsy navelany niala teo ary rehefa niala izy dia mbola nanome baiko fa tsy afaka ny hahetsika eo ny fiara raha tsy mahazo alàlana avy aminy. Maty ny kisoa ary teo no nanomboka ny hatezeran’ny tompony izay nametraka fitoriana an’ity vazaha ity. Omaly dia nivoaka ny baikon’ny fampanoavana ao Toamasina ny hanokafana fanadihadiana azy. Asa anefa raha ho lasa lavitra izany satria ny zandary izay sokajiana ho “mpiara-miasa akaiky” indray no nahazo ilay “soit-transmis” ary izy ireo izany no hanao ny fanadihadiana. Omaly ny lehiben’ny zandary miadidy ny fari-piadidian’ny zandary ao Atsinanana (Cirgn) dia nanazava fa afaka mametraka fitoriana avokoa izay manana fitarainana momba ity Belge ity. Mbola izy ihany koa anefa no nanamafy fa anisany manampy betsaka ny zandary ao Toamasina amin’ny fanenjehana olon-dratsy io teratany vahiny io. Fa iza marina moa izany ity vazaha ity? Raha ny angom-baovao tetsy sy teroa dia niara-niasa akaiky tamin’ny CIRGN teo aloha -izay lasa Seg ankehitriny – izy noho ny fananany alika mpitsongo dia. Nampiasaina izany tamin’ny fikarohana olon-dratsy ary dia lasa nihamafy ny fiaraha-miasa. Nivoatra anefa izany ary tonga amin’ny fanaovan’ilay vazaha ny fanamian’ny zandary sy fitazomana basy ary fidinana an-tsehatra miaraka amin’ny zandary. Misy “gyrophare” hatramin’ny fiarany ary tsy misalasala ny misambotra olona sy manao ny asan’ny mpitandro ny filaminana. Betsaka anefa no nianjadian’ny fanaparam-pahefana izay nataony ary manomboka mivoaka amin’ny fahanginany ankehitriny. Fahefana izay tsy nomena no sady tsy nindramina ary tsy misy andinin-dalàna na iray akory aza afaka manazava izany. Indrindra koa ho an’ny ministera izay misahana ny fiandrianam-pirenena toa ny zandarimaria izay sarotiny tokoa amin’ny fampiasana ny anarany sy ny fitaovany ary ny asany. Betsaka ny manaraka ity raharaha ity ary indrindra koa miandry ny fanazavana avy amin’ny zandarimaria.
D.R
Tsy tompon’andraikitra zareo ka