- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFernand Cello : Namoahana didy fampisamborana

Fernand Cello : Namoahana didy fampisamborana

Didy avy amin’ny sojaben’ny mpitsara mpanao famotorana (Doyen des juges d’instruction) ary nosoniavin’ny lehiben’ny zandary misahana ny raharaha ady heloka bevava etsy Fiadanana. Io ny didy fampisamborana an’i Avimana Fernand Cello, izay nivoaka ny tolakandron’ny zoma teo. Didy izay manome alàlana ny mpitandro ny filaminana ny hisambotra ary hanolotra azy ny zandary etsy Fiadanana mba hanaovana fanadihadiana. Mbola niampy filazana fikarohana (avis de recherche) koa aza izany. Tao anatin’izany dia tsy nisy fampahafantarana mihitsy ny antony hisamborana azy ireo taratasy roa ireo. Na izany aza dia azon’ny maro an-tsaina ihany fa mety mahakasika ny filazana vaovao tamin’ny tambajotra sosialy ny amin’ny nandehanan’ny filohan’ny Hcc tany ivelany izany, ny 15 septambra teo. Vaovao izay nosokajiana ho tsy nitombina rehefa hita tetsy amin’ny biraony tetsy Ambohidahy ny voakasika ny 16 septambra. Ny andron’iny ihany dia naneho fialan-tsiny i Fernand Cello sady nanitsy ny vaovao diso navoakany. Izany dia araka ny fanajana izay voalaza ao anatin’ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety araka ny andininy faha-73. Raha nieritreritra ny mpanara-baovao fa mba mety ho nilamina teo ny raharaha, satria nisy fandeferana tany ho any. Iray volana latsaka dia nilatsaka ny didy fampisamborana an’i Fernand Cello, mpanao gazety an-tsoratra ao amin’ny Basy Vava, saingy fanta-daza bebe kokoa amin’ny fizaram-baovao amin’ny tambajotra sosialy. Izany dia tsy nialohavan’ny fampiantsoana mba hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana, raha araka ny fanazavan’ny fianakaviany. I Fernand Cello dia fantatry ny maro amin’ny famoahana vaovao masiatsiaka ary indrindra koa raha misy tsy mety ataon’ny olona ao anatin’ny fitondràna. Mandeha, araka izany, ny eritreritra raha fanenjehana ara-politika kokoa ity manjo azy ity ary nohararaotina tamin’ny heloka momba ny asa fanaovan-gazety. Koa satria tsy nampahafantarina tao anatin’ny didy fampisamborana ny anton’ny fanenjehana dia mandeha avokoa ny tombatombana ankehitriny. Etsy ankilan’izany, maromaro ny toe-javatra mahakasika ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety tato ho ato ary ilaina hisy fanazavana. Nisy ny naratra teny am-panatotontosana ny asany rehefa nanaraka ny tolon’ny kandidà 11. Mbola tao anatin’izay vanim-potooana izay koa no nisy fisamborana olona roa izay « mpanao gazety ». Natao anaty farango sosona satria nolazaina fa tsy mpanao gazety izy ireo rehefa nampiasa ny karatra avy amin’ny orinasa niasany. Nidoboka am-ponja rehefa namoaka vaovao diso ary nolazaina ho mpisandoka andraikitra. Ny vaovao diso iny azo arahina amin’ny lalàna (izay tsy mampiditra am-ponja fa lamandy) fa ny filazana ho mpisandoka andraikitra kosa dia betsaka ny mpanao gazety nanazava fa tsy voatery ho mitombina izany. Mbola hita teny an-kianja koa ny fandroahana olona izay anaovan’ny mpanao gazety. Manafintohina ny asa avokoa izany rehetra izany ary mila haverina ampahafantarina bebe kokoa amin’ny mpisehatra angamba ny tena asa ataon’izy ireo sao heverina fotsiny fa faly hitroka etona manepotra na mitanina andro…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici