- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Fatin-jaza vao teraka, hita tao anaty “sachet”

Toliara : Fatin-jaza vao teraka, hita tao anaty “sachet”

Nisesisesy tato ho ato ao an-tampon-tanànan’i Toliara sy ny manodidina ny fanariana zazarano sy zazamenavava vao teraka. Afak’omaly vao naraina be, dia zaza vao teraka efa maty, natao tao anaty harona « sachet » no nisy nanary tao amin’ny « Jardin de la Mer » Amoron-driaka akaikina Ala honko. Olona sendra nandalo handeha hanao maloto vao mangiran-dratsy no nahita ilay fonosana nipetraka teo. Tsiravina izy raha nahita ny tao anatiny, ka niantso ny mpiambina ity zaridaina ity; izay monina tsy lavitra eo. Raha nanontaniana ity farany, dia nilaza fa tsy nahita olona nampiahiahy nihaodihaody teny. Raha ny fanazavan’ny mpampivelona iray tonga teny an-toerana, dia vao nateraka ora vitsy ity zaza ity no izao maty izao ary mbola teny aminy ny tadim-poitrany. Nanohina ny maro ity zava-nitranga. Raha ny zava-misy ao Toliara ao, dia mitombo isa hatrany ireo tovovavy tsy ampy taona manala zaza. Vokatry ny rendrarendra sy ny fitiavam-bola diso tafahoatra, lasa kely veta ny ankizy.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser