Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ny teto an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka ny harivan’ny 11 Novembra 2014 teo, tokony tamin’ny 5ora sy sasany. Fiara Sprinter iray no nifatratra tamin’ny tamboho teo amin’ny toerana iray eo akaikin’ny fokontany Ambalabako. Maty ilay mpamily, satria nihemotra tanteraka ny lohan’ ilay fiara ka voaterin’ny familiana ilay rangahy ary tsy nahatsiaro tena. Divi-janarahy no tsy nahafaty azy 6 mianaka; izay mivarotra eo amin’ny sisin-dàlana amin’ny trano hazo iray ,fa ilay trano no nisy fahasimbana kely. Araka ny fanazavana, dia tsy mpamilin’ity fiara ity io nitondra azy io, fa raha variana teo amin’ny mpivarotra karatra eo amin’ny fiantsonan’ny fiarakodia ilay mpamily ka navelany teo ilay fiara miaraka amin’ny fanalahidy, nitsofohan’ity rangahy ity tampoka ny familiana ka nentiny ilay fiara,dia izao tratran’ny loza izao. Mandeha rahateo ny fanadihadiana, ka hohita eo ny tena marina. Matetika no misy lozam-pifamoivoizana tahak’izao ny aty Alaotra, ka tokony samy hitandrina ny rehetra.
Janus R