- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHetsika fotsin’ireo kandidà 11 : Nandeha ny fifampihantsiana teo amin’ireo mpanohana ny...

Hetsika fotsin’ireo kandidà 11 : Nandeha ny fifampihantsiana teo amin’ireo mpanohana ny roa tonta

« Foza orana ve hatahotra drakaka ? ». Ambetin-tenin’ireo andiam-behivavy maromaro, mpomba ny filoha teo aloha, nandritra ny hetsika fotsy nataon’ireo kandidà 11 izany, omaly, tetsy 67ha. Toy ny tamin’ny talata, ny alarobia ihany tokoa mantsy dia diabe am-pilaminana nandritra ny adin’ny roa latsaka teo hatrany no nanehoan’ireto kandida 11 sy ireo mpanara-dia azy ny hetsika fotsy nataon’izy ireo, raha ny omaly. Niainga tetsy amin’ny « rond point » Ampasika, nandalo an’Andohatapenaka, CDA, Vatobe, 67ha, Antohomadinika iny izany diabe izany, narahin’ny tsioka « sifflet », bapampa sy ny mozika ary ny horakoraka. Nanomboka tetsy amin’ny Vatobe no nipoitra avy any ny andian’olona vitsivitsy, saika vehivavy avokoa ny ankabeazany izay misalotra Tshirt volomboasary ny sasany, nihorakoraka ireto mpanao diabe. « Aleo izahay hivarotra sy hiaina am-pilaminana hoy izy ireo fa aza korontanina (…) ary aleo handeha ny fifidianana ». Tsy nijanona tamin’ny toerana iray moa ireto farany fa niezaka nanaraka hatrany ihany koa ny diabe nataon’ireto mpanaraka ny hetsika fotsy, nihogahoga sy nihorokaroka azy ireo. Tsy nitsaha-nitombo hatrany ny isan’ireto andian’olona tsy faly amin’ny hetsik’ireto kandidà ireto teny an-dalana, nanomboka tetsy amin’ny fiantsonan’ny taxibe Vatobe, ka hatreny amin’ny « parking » 67ha. Marihana fa ankoatr’ireto andiam-behivavy ireto dia efa nisy andian-dehilahy mitondra môtô maromaro ihany koa nitangorongorona tetsy 67ha. Raha ny re, araka ny ambetin-dresak’izy ireo, dia tsy nankasitraka velively an’ireto mpanao diabe ireto ihany koa ary vonona ny « hiandry azy ireo ». Saingy nizotra tsy nisy noahiana ihany moa ny diaben’ireo mpanao hetsika fotsy. Nampametram-panotanian’ny maro ihany raha izy ireto ihany, ireo hita nivezivezy, nihodikodina ary nihorakoraka, tsy lavitry ny Lapan’ny tanana teo Analakely, na hafa. Toa karazana fifampiantsiana eo amin’ny samy mpanohana ny roa tonta, ny an’ny filoha teo aloha sy mpanaraka ny hetsikan’ireo kandidà 11 ihany no nitranga teny an-toerana. Saingy, nalaky nilamina ny toe-draharaha ary vita sy nirava am-pilaminana tetsy Antohomadinika ny hetsika.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici