Olo-be avy amin’ny Distrikan’i Kandreho, ao anatin’ny faritra Betsiboka, ny Jeneraly Alfred Rakotomanorina. Manampahaizana ary manamboninahitra miaramila izy ary maro ny asa efa nataony ho an’i Madagasikara raha tsy hiteny hafa tsy ny fandrafetana ny RSS na « Réforme du Secteur de la Sécurité ». Manana ny heviny ity manamboninahitra eo anivon’ny Tafika Malagasy misotro ronono ity ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Aminy dia ny finoana no fototra voalohany lehibe hampandroso an’ity firenena ity. « Mila mpitondra tena manam-pinoana an’Andriamanitra isika vao afaka handroso », araka ny voalazany. « Mila manam-pinoana tahaka izany koa ny Malagasy hoy izy raha te hampandroso ny tanindrazany ». Ho an’ny Jeneraly Alfred Rakotomanorina dia na hita aza fa maro ny kristianina eto Madagasikara, dia mivavaka fotsiny ihany no betsaka fa tsy tena manam-pinoana. Maro ihany koa ireo olona mahay mitantana, manana « leadership », fa tsy manana « leasership spirituel » na fahaiza-mitantana ara-panahy. Nalain’ity manampahaizana ity ohatra hanamarinana ny heviny ny fandrosoan’ireo firenena silamo. « Maro ny firenena efa notsidihako, isan’izany ireo firenena silamo. Ho an’ny silamo dia manaja sy miaina ao anatin’ny finoany tanteraka izy ireo. Tsy ambanin-javatra aminy mihitsy ny fivavahana fa na amperinasa aza izy ireo dia manatsahatra izany rehefa tonga ny fotoam-pivavahana », hoy izy. Raha ny fijeriny dia ny finoana arahana asa no mampandroso ireo firenena ireo. Noho izany, hoy hatrany izy, dia mpitondra mivavaka sy tena miaina ao anaty finoana no ilain’ny Malagasy. Zava-poana ihany ireo tetik’asa fampandrosoana raha tsy arahana finoana tena marina izany. Mbola maro ireo vina hananan’ny Jeneraly Alfred Rakotomanorina ary vonona hitady izay hahasoa ny mpiray tanindrazana aminy hatrany ny tenany. Marihana moa fa izy dia isan’ireo nandrafitra ny Plan Emergence Madagascar raha ny nambarany.
T.M.


