Nanao izay ho afany ary azo lazaina ho tena nanararaotra ireo tontakely omaly, nandritra ny hetsika ara-politika tetsy Andavamamba. Inoana fa maromaro tamin’izy ireo no nifangaro tamin’ireo olona marobe nisalotra volomboasary sy fotsy nitangorona teny an-toerana. Nisy ireo lasibatra. Toy ity lehilahy iray, izay voalaza fa sendra nandalo teny an-toerana, tamin’ny ora sy fotoana nisehoan’ireo fifanjevoana teo amin’ireo mpomba ny andaniny sy ny ankilany, no niharan’io fanendahana io. Lasan’ireo andian’olona nanao angaredona taminy ny zava-drehetra teny aminy ary naratra ihany koa ity farany. Renim-pianakaviana iray ihany koa no nilaza ho nisy nangarona ny paosiny, saingy tsy nahazo n’inona ilay olona. Nisy tamin’ireo mpanaraka ny diaben’ny kandidà 11 ihany koa no nilaza fa nisy mpanendaka tafiditra tao amin’izy ireo. Tetsy ankilany, nisy tamin’ireo mpanao propagandy ihany koa no nilaza fa tratran’izay ihany koa.
Fotoana fanararaotan’ireo mpanao ratsy tokoa ny toe-javatra tahaka iny omaly tetsy Andavamamba iny. Tsikaritra teny an-toerana tokoa mantsy fa misy sasantsany tamin’ireo olona tonga teny, no hita fa tsy dia ilay hetsiky ny roa tonta loatra no antony nahatongavany. Nisy tamin’izy ireny no maimbo rongony, ny mamofon-toaka ary nisy mihitsy aza ny sasany, nitondra zava-maranitra tsy fantatra na atao inona na atao inona.
Iaraha-mahalala rahateo fa anisan’ny tafiditra ao anatin’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriampahalemana raha iny faritra Andavamamba sy ny manodidina iny. Indrindra fa teo amin’ny toerana, izay nifampitaoman’ireo vondron’ny kandidà 11 sy ireo mpanaraka azy ary nisian’ny olona nanatanteraka propagandy ho fampanandaniana ny kandidà laharana fahatelo. Toe-javatra izay nivadika ho fifanjevoana sy ny sakoroka moa nony kelikely teo, teo amin’ireo vahoaka samy mpomba ny andaniny sy ny ankilany. Niezaka niditra an-tsehatra ihany ireo mpitandro filaminana, saingy toa tsy afa-nanoatra firy ary sarona tao anatin’ny fifangaron’ireo olona marobe. Somary vitsivitsy ihany koa izy ireo no teny an-toerana fa saika ny ankabeazany dia napetraka sy nasaina niambina ireo ministera sy tranom-panjakana tetsy Anosy ary ny lalana mankany avokoa.
m.L