- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Novonoiny ny zana-badiny dia naleviny

Faratsiho : Novonoiny ny zana-badiny dia naleviny

Resaka hasarotam-piaro ny antony. Na dia efa nisaraka aza ireo mpivady dia mbola nahery be ny hasarotam-piaron-drangahy. Indrindra koa rehefa hitany niaraka tamin’olon-kafa ny vadiny taloha. Ny nataony dia ilay zazalahikely enin-taona izay zana-badiny no nanamparany ny valifatiny. Nalainy tany am-pianarana, nalaina an-keriny. Vita izay dia nentiny tany anaty ala ary novonoiny ho faty. Naleviny teo akaiky teo ihany. Io zaza io anefa dia zaza efa notezainy ela, nandritra ny fanambadian’izy mivady. Tsy hoe akory vitany ilay heloka bevava dia nanjavona izy. Vao mainka koa nantsoiny ilay ramatoa ary notereny hanome vola 10 tapitrisa ariary ho takalon’aina. Teo dia nisy ny fampandrenesana ny zandary izay nanomboka ny fanadihadiana. Niafara tamin’ny fahatratrarana azy tamin’ny fotoana tsy nampoiziny izany. Teo vao fantatra fa efa maty ilay zaza ary ilay vola notakiana koa dia saika hoentiny miriaria amin’ny fiainana. Nisy namany iray voasambotra koa tao anatin’ity raharaha ity ary noraisina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny vonoan’olona sy fakana an-keriny. Efa samy nidoboka am-ponja izy roa lahy ireo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici