- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMorarano Toamasina : Jiolahy roa nahatratrarana kalachnikov miaraka amina bala miisa 50

Morarano Toamasina : Jiolahy roa nahatratrarana kalachnikov miaraka amina bala miisa 50

Basy Kalachnikov iray, miaraka amin’ny tranona bala miisa roa ary bala mahatratra hatrany amin’ny 50. Ireo no saron’ny polisim-pirenena ao Toamasina. Lehilahy roa no nitondra azy io ary natao tao anatina kitapo. Nanao tampody fohy izy ireo raha iny sendra nifanena tamin’ny polisy nanao fisafoana amin’ny andro folakandro. Teny amin’iny lalana mankany amin’ny fokontany Tanambao Verrerie, mandalo ny fokontany Morany, no nitragan’izany. Nanaitra ireto farany io fihetsika io ka velona teo ny fanarahan-dia. Tsy nahaleo ny fiara tsy matahodalana ampiasan’ny polisim-pirenena anefa ny moto iray nentin’izy roa lahy ireo. Hany herin’ireto farany ny namela ny moto sy ilay sakosy. Hita nandritra ny fisavana io moto io ny antontan-taratasy mahakasika io fitaovam-pifamoivozana io. Tao anatin’ilay sakosy dia tsy nisy afa-tsy ilay fitaovam-piadiana voalaza ery ambony. Efa nokosehina ny marika mitondra ny laharan’ilay fitaovam-piadiana. Tombanan’ireo tomponandraikitra any an-toerana anefa fa io hatrany no fampiasan’izy ireo amin’ny fanafihana tao Toamasina. Mbola nanana fahasahiana hitifitra an’ireto polisy anefa izy roa lahy. Velona ny fifampitifirana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Nambaran’ireto mpitandro ny filamina ireto fa nisy voan’ny bala tamin’izy ireo. Tsy nahatana azy ireo tsy hitsoaka anefa izany. Amin’izao dia tafaporitsaka izy roa lahy. Efa mandeha rahateo ny fikarohana ireto olona mitondra fitaovampiadiana ireto. Tato ho ato dia efa mba milamina ny tanànan’i Toamasina. Izany dia noho ny fahitana ireo mpitandro ny filaminana manao fisafoana eny amin’ireo fokontany fanaovan’ny jiolahy fanafihana, na andro na alina. Raha ny fantatra ankarihary aloha dia basy poleta iray no eo am-pelatanan’izy ireo. Mandeha anefa ny resaka ao Toamasina ao fa iray amin’ireo basy ampanofaina ity tratra ity.

Jean – Claude STEVE

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser