- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsarahonenana : Dimy lahy nitondra basy nanafika, olona telo voatifitra

Tsarahonenana : Dimy lahy nitondra basy nanafika, olona telo voatifitra

Mitebiteby ny mponina eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Omaly, toerana roa samy hafa no nandrenesana fanfihan-jiolahy

Omaly hariva tokony ho tany amin’ny 6 ora latsaka fahefany tany, nisy andian-jiolahy nanafika mpivarotra hanimasaka sy épicerie teny Tsarahonenana, eo amin’ny toerana antsoina hoe « poteau double ». Vokany, ankizy roa sy vehivavy iray no voatifitra. Samy tany amin’ny faritra tsy dia mahafaty no niantefa ny basy. Tetsy andaniny kosa anefa, lasan’ireo mpandroba ny vola 100 000 ariary tao amin’ilay gargotte ary 500 000 ariary tao amin’ilay fivarotana. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nanao be fiavy ireto mpangalatra ireto. Tamin’ny ora nahatongavany dia tena mbola be olona nifamezivezy teny an-toerana. Nanao amboletra niditra ireo fivarotana roa ireo ry zalahy. Nalainy ny vola ary rehefa azony izany dia lasa nandeha izy ireo. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nanapoaka basy ry zalahy. Izany dia mba hampitahorana ireo izay miseho ho sahy hanakana azy ireo. Tamin’io ihany koa no nahavoa ireo olona telo. Tonga teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-3 rehefa naharay antso avy amin’ny mponina. Efa tsy teny an-toerana intsony anefa ireo mpangalatra. Ny zavatra nahamaika ny rehetra dia ny nitondra ireo naratra tany amin’ny hopitaly. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka ny fiara nentin’izy ireo no nalefa tany amin’ny hopitaly. Etsy andaniny, milaza ny loharanom-baovao fa somary tara ihany vao nahafantatra ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Efa lasa lavitra ny jiolahy vao tonga teny amin’ny toerana izy ireo.

Fa mbola fanafihan-jiolahy ihany, asa na efa tai-dava ny mponina na ahoana fa nisy vaovao nampitaina taty amin’ny gazety koa nilaza fa nandalovann’y jiolahy koa teny Analamahitsy. Rehefa nitady ny vaovao marina anefa ny mpanao gazety dia tsy nahalala na nisy tokoa izany na tsia.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser