- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHain-trano tao Morondava : Olona iray no maty, may kila ny fonenan'ny...

Hain-trano tao Morondava : Olona iray no maty, may kila ny fonenan’ny talem-paritry ny Fahasalamana

Nisehoana haintano goavana tany Morondava omaly alina. Olona iray 87 taona no fantatra fa maty vokatr’izany loza izany, olona roa no naratra. Rava tao anatin’ny ora vitsy ny biraon’ny Médecin inspecteur sy ny tranon’ny talem-paritry ny Fahasalamana vokatry ny hain-trano nitranga tany Morondava ny sasakalin’ny alarobia nifoha alakamisy teo. Trano lehibe misy efitra 11 ity kilan’ny afo ity. Birao fiasan’ny ny Médecin inspecteur Morondava ny ambany rihana, ary fonenan’ny talem-paritry ny Fahasalamana Menabe ny ao ambony. Avotra soa amantsara ity talem-paritra ity rehefa nifamonjen’ny fianakaviana fa ny rainy no tsy avotra noho ny fahanterany. Ny vadiny sy olona tezainy kosa no naratra, ary efa manaraka fitsaboana. Potika tanteraka ny entana sy fitaovana rehetra tao an-trano sy tao anatin’ny birao. Anisan’izany ny solosaina maro, imprimante, anton-taratasy avy amin’ny UNICEF sns. Voalaza fa tamin’ny 12ora sy sasany no nisy niantso tany an-tranony ny Médecin inspecteur nilazana fa may ny birao. Tonga teny an-toerana ny Prefe sy ny Goverinora Menabe ary ny mpitandro filaminana. Noho ny hafainganan’ny fiitaran’ny afo dia tsy nisy azo natao afa-tsy ny niandry ny mpamonjy voina namono ny afo. Mbola tsy voafaritra mazava ny anton’ny firehetana. Ahiana kosa ho mety vokatry ny fipoahan’ny herinaratra ny nahatonga izany. Andrasana ny fanadihadiana.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici