- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Kara-tany faobe sy titra 4300 nozaraina

Antsirabe : Kara-tany faobe sy titra 4300 nozaraina

Mitovy lanja ihany ny kara-tany sy ny titre ( sary Andry N)

Notanterahina teto Antsirabe tao amin’ny kianja maitson’ny Tsarasaotra ny fizarana kara-tany sy titra faobe ho an’ny Distrika Antsirabe voalohany sy faharoa. Tantsaha 2000 isa no nahazo titra, ary 2300 kosa hoa n’ny kara-tany tao amin’ny distrika Antsirabe II.

Tafiditra ao anantin’ilay fizarana kara-tany manodidina ny 2 tapitrisa eto amin’ny Nosy  moa ity hetsika ity fa ho an’ny faritra Vakinankaratra dia ity aloha no tanteraka. Ireo tantsaha nanajary ny tany nandritra ny 5 taona mihoatra no nahazo kara-tany raha toa ka Titra kosa ho an’ireo nividy na tany nolovaina, marihina fa mitovy lanja ny titre sy ny kara-tany.

Nitarika ity lanonana natao teto Antsirabe ity ny andron’ny zoma 27 Oktobra lasa teo ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany Pierre Holder Ramaholiasy. Nambarany fa zon’ny vahoaka Malagasy ny misitraka ny taniny amin’ny ara-dalàna amin’ny alalan’ny fahazoana karatany sy titra. Tanjon’izao fizarana kara-tany izao ny hanomezana fahafaham-po ny vahoaka mba hahafahan’izy ireo miharo ny tanindrazany ary indrindra entina hampiroboroboana ny fampandrosoana eny ifotony.

Tsara homarihina anefa fa mbola olana goavana mateti-pitranga eny amin’ny fiaraha monina ny resaka ady tany ary mbola mitana ny raharaha voalohany izy raha raha eny anivon’ny fitsarana. Na misy aza ny ezaka ataon’ny ny fanjakana eo amin’ity fizarana kara-tany fahobe ity dia mbola maro ireo olana tsy ahitana vahaolana eo amin’ity resaka fananan-tany ity. Ho an’Antsirabe manokana dia maro ireo mitaraina noho ny antsonjay ataona lefitra iray mpitondra eto Antsirabe mamaritra tany izay tsy azy akory araky ny vaovao miely.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici