- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMoramanga : Kitay menaka tsy ara-dalàna 250 gony nogiazana 

Moramanga : Kitay menaka tsy ara-dalàna 250 gony nogiazana 

Kitay menaka halatra azo avy amin’ny hazo pin mitotaly 250 gony no saron’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny orinasa Fanalamanga sy ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny poste avancé  Bembary. Tao  amin’ny fokontany Ankodahoda kaominina Bembary ao anatin’ny faritra afovoany no nahasaronana ireto kitay .Fomba fiasan’ireo mpangalatra ny mitatitra ireo vokatra avy ao amin’ny faritr’alan’ny orinasa ary misy mpandray izany aty amin’ny tanàna manamorona ny lalam-pirenena faha 44. Raha ny tatitra voaray dia efa misy mihitsy ny  trano voatokana fampitobiana ireo kitay menaka halatra. Ny fanapotehana ireo hazo mbola eo andalam-pitomboana no aniany tena mahasarotiny ny Fanalamanga amin’ity asa fakana kitay menka ity  raha ny nambaran’ireo teknisianina avy ao amin’ity orinasa ity. Fangataham-piaraha- miasa ataon’ny mpitantana ny orinasa ny fifanomezan-tanana amin’ireo tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny eny ifotony ka misy ny mandray ny andraikiny ary misy ihany koa ny miray tsikombakomba amin’ireo mpanimba ny ala .  Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandarimariam-pirenena dia natolotra ny fampanoavana ny raharaha ary mitohy ny fanaraha-maso sy ny ady ataon’ireo tompon’adraikitra amin’ny fanapotehana ny alan’ny orinasa .  Mizara efatra lehibe ny tsindry mahazo ny ala tantanin’ity orinasam-panjakana ity dia ny halatra hazo sisiana tsy hifanarahana amin’ny orinasa ,ny fakana kitay menaka,ary ny doro tanety miampy ny fanaovana arina fandrehitra  tsy ara dalàna. 

Narindra Rakotobe 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici