Basy Kalachnikov roa teo ampelan-tanana lehiben-dahalo nalaza ratsy tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fandrobana ary vono olona sy fanolanana amina distrika maromaro any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ; izay maty voatifitry ny mpitandro filaminana, no sarona tany amin’ny kaominina Beraketa Sakaraha, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana, dia isan’ny toerana fanadiovana omby halatra ny ao Beraketa.
Kalach 5 very. Midika izany, fa « Kalach » telo tamin’ireo dimy very tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana nampiasain’ny malaso no tafaverina amin’izao, ka anisan’izany ilay hita tao anaty lavabato tany Vatolatsaka Betioky Atsimo, nitondra ny laharana 3504, ny 6 novambra teo. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Kalony sy ny mpitandro filaminana tamin’ny fampiharan’ny fokonolona ny « Dina Be » any amin’ny distrikan’i Betioky sy Sakaraha no nahatratrarana an’ireto fitaovam-piadiana mahery vaika ireto, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Manitrisa