Sesilany ny asan-dahalo ao Mandoto, ampy fitaovana no sady mahery vaika ny fitaovana fampiasan’ireo olon-dratsy. Etsy andaniny, manao izay ho afany koa ny fokonolona miaraka amin’ny mpitandro filaminana hiadiana amin’ny asan-dahalo.
Tranga iray tamin’ny 11 Novambra teo, notafihana dahalo efa ho 40 lahy tao Ambohitsara kaominina Mandoto , nirongo fiadiana mahery vaika ireo dahalo. Natahotra ny mponina tsy nisy sahy nihetsika, atody miady amam-bato rahateo ny vahoaka. Nanaram-po ireo dahalo nandroaka ny omby ka manodidina ny 100 no noraofiny tamin’izany. Tsy voaangon’ireo dahalo anefa ny omby fa niparitaka ka 35 no sisa noroahin’izy ireo niaraka taminy. Nampandre ny miaramila ny mponina taorin’izany ka vetivety dia tafaraka ny miaramila sy ny zandary niampy ireo fokonolona nanao ny fanarahan-dia. Fantatr’ireo mpitandro filaminana fa tsy maintsy handalo amina kizo iray ao atsimon’ny Anjoma Ramaritinina ireo dahalo ka efa nalefa aloha ny miaramila nanao ny vela-pandrika. Niandry ambavam-basy ny mpitandro filaminana teo amin’io kizo io. Raikitra ny fifandonana ka dahalo roa no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, voalaza fa nisy roa hafa koa voatifitra, saingy mbola afaka nandositra. Rifatra nandositra ireo dahalo ary navelany teo ny omby rehetra. Tafaverina avokoa noho izany ireo omby 34, niampy ireo omby tsy voaangona raha toa ka efa maty nangalan’ireo dahalo hena teny an-dalana ny omby iray.
Andry N.