Omaly dia voasambotra ny mpangalatra ny finday ika faramparany, an’ny artiste Anicette. Io fitaovam-pifandraisana io dia very nandritra ny fampisehoana nataony ny alin’ny asabotsy teo tao Mananara-Avaratra. Natolotra azy omaly ny fananany, finday Iphone 14 pro max. Etsy ankilan’izany, notanterahiny koa ny fampanantenany dia ny fanomezany valisoa mitentina telo tapitrisa ariary ho an’ireo nanampy tamin’ny fahitàna ny findainy. Tsy nivoaka ny faritra fa tao Mananara-Avaratra ihany ilay fitaovana no hita. Na tsy nampiasaina aza dia afaka hita hatrany misy azy noho ny fampiasàna teknolojia. Diso hevitra araka izany ilay mpangalatra izay noraisim-potsiny rehefa hita ny nisy azy avy amin’ilay finday notazominy. Mipetraka ihany ny fanontaniana raha ny fisian’ilay valisoa no naha-haingana be ny fahitàna ny mpanao ratsy na koa noho ny amin’ny maha-artista fanta-daza na koa ny fiasan’ny mpanao fanadihadiana izay tena nifantoka. Betsaka ihany mantsy izay voaendaka finday izay kanefa tsy nisy tohiny ny fitoriana fa arirarira fotsiny amin’ny hoe miandry « réquisition » avy amin’ny fitsaràna sy antanan-tohatra maro izay mahatonga ny olona aleo mamboatra saina dia hadinoina toy izay hivezivezy mandritra ny fotoana elabe.
D.R MAN10A