Tsy fahafantarana sa tena an-tsirmbina tsotra izao no nahatonga ity loza namoizana ain’olona niseho tao amin’ny kaomininana andranomanelatra ity ny zoma lasa teo. Ankizy kely vao 1 taona monja no may kilan’ny afo vokatry ny firehetan’ny trano misy rihana iray nohon’ny fipoahahana” batterie”-na finday izay nofahanana tamin’ny fomba tsy araky ny tokony hanaovavana izany. Mampiasa ireny heri’aratra azo amin’ny herin’ny masoandro ireny ity fianakaviana ity. Noho izany, nofahanana mivantana avy amin’ny “batterie” 12V mipetaka amin’ny “plaque solaire” ilay finday. Mazava ho azy fa tsy nahazaka izany ny vatoaratr’ilay finday ka nipoaka ary nirehitra. Ny loza anefa, tsy lavitra teo ny farafara nampatoriana ilay ankizikely izay , raha ny angom-baoovao, dia navela irery tao anatin’ilay efitra nisy azy. Poa toa izay dia nirehitra ilay trano ka ny afo efa nanenika ny rihana manontolo vao hitan’ny manodidina. Nifandrimbona ny fokonolona namono ny afo ka nandrindra izany no nahitana ity ankizikely herintaona ity izay efa vatana mainty be toy ny arina sisa teo amin’ilay fandriany rehefa maty ny afo. Vokany, olona miisa 12 mianka no tra-boina sy tsy manan-kialofana tamin’ity loza ity.
Manoloana izao seho izao dia tsara raha mba misy ny fampianarana sy ny toromarika amin’ny fampiasana ireny fitaovana mandeha amin’ny herin’aratra ireny, indrindra ireo mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay tena efa maro ny manana azy any ambanivohitra rehetra any. Torak’izany koa ny toromarika mikasika ny fikirakirana finday. Ankoatra izany, tokony hitandrina ny rehetra amin’ny ankizy ka tsy hamela azy ireny ho irery ao an-trano indrindra raha misy zavatra hitera-doza toy izao ao.
T.M.