- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Nandalo ny dahalo, nakatona ny biraom-pifidianana

Miandrivazo : Nandalo ny dahalo, nakatona ny biraom-pifidianana

Teo anoloan’ny biraom-pifidianana mihitsy no nandalo ireo andian-dahalo vao avy nangalatra omby ary niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana isan-karazany. Nifanintsy tamin’ny andron’ny fifidianana izany ary dia raiki-tahotra ny olona omaly tao amin’ny fokontany Bemahatazana-Miandrivazo. Nohidina faran’izay haingana ilay biraom-pifidianana ary nijanona aloha ny filaharana, satria samy namonjy ny ainy niala teo an-toerana ny mpifidy. Nantsoina ny zandary tao an-toerana ary nanao ny fanarahan-dia. Efa dify lavitra ny dahalo ary efa nanao ny fanenjehana ny mpitandro ny filaminana izay vao nisy ny fanapahan-kevitra ny namerina tamin’ny laoniny ny fandatsaham-bato. Toe-javatra toy izany no mbola misy amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Ao anatin’ny toerana izay tena tandrovina no nisy olon-dratsy manao andiany nandalo. Tsy nikasa ny hamaky biraom-pifidiana izy ireo fa kosa lalany fotsiny no nizorany. Na izany aza, ao anatin’ny fanahiana sakoroka dia avy hatrany dia nikorontana ny sain’ny olona ka niala teo an-toerana sy nanidy ny efitra fandatsaham-bato. Soa fa mba niverina ihany ny filaminana taorian’izay rehefa tsy nisy ny herisetra niseho.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici