Vono olona mampihoron-koditra no nitranga tao amin’ny fokontany iray tao Ifotaka, any amin’iny distrikan’Amboasary Atsimo iny, omaly. Tovolahy 19 taona iray no namoy ny ainy tao anatin’ny habibiana tsy roa aman-tany. Notapahin’ireo tsy mataho-tody mantsy ny lohany ary nentin’izy nanaraka azy. Navelany teo kosa ny vatany, tao anaty rà mandriaka. Raha ny angom-baovao azo dia teny am-piandrasana osy, teny amin’ny toerana tsy lavitra ny tananan’Ambidavato ity farany no nifanahetra tamin’ireo olon-dratsy, izay ankevitry ny saika hangalatra ireo osy nambenany. Tsy izay anefa no nitranga fa izao vono olona izao. Taorian’io ihany dia nandray fepetra ary niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana, nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy.
Ny vaovao ao avy any an-toerana hatrany no nahafantarana fa roa lahy no tompon’antoka tamin’ity vono olona ity. Tsy ela taorian’ny nisehon’ity tranga ity dia voasambotry ny mpitandro filaminana ny tovolahy iray, monina tao Ankilimanara, ao amin’ny fokontany Ifotaka hatrany. Voalaza fa isan’ireo nandray anjara tamin’izany fanapahana loha izany. Tamin’ny famotorana azy no nilazany fa tany amin’ny namany niaraka taminy, izay monina ao Ankazota no nitondra ilay lohan’ilay lasibatra. Fotoana taorian’izay ihany moa dia voasambotra tao Bezira, tao amin’ny fokontanin’Ambatomainty ity farany. Nilaza indray anefa ilay zalahy ity fa olon-kafa no efa nitondra an’ilay lohan’olona fa izy no isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanapahana fotsiny. Efa fantatra ny toerana nisy an’ity lehilahy farany ity ary noraisim-potsiny tao Ankilimanara izy. Ary tao anatin’izany no nanoroany ny toerana nanafenany ilay lohan’olona, izay nonofosiny harona « sachet », mbola feno rà. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary moa ireto olona voasambotra. Nomena ny fianakaviana kosa, taorian’ny fitsirahana nataon’ireo mpitsabo ny lohan’ilay tovolahy. Ny fanontaniana nipetraka teny am-bavan’ny maro dia hoe saika hataon’izy ireo inona ity lohan’olona ity ? Mbola mitohy moa ny fanadihadiana ny an-toerana ataon’ireo mpitandro filaminana, mahakasika ity tranga mampivarahontsana ity.
m.L