Nivory momba ny taom-pihotazana lodsia atmin’ity taona ity ny vondron’ny mpandraharaha mpisahana ny lodsia na ny GEL, sy ireo mpanangom-bokatra, ary ny faritra roa hivoahan’izany vokatra izany dia ny faritra atsinanana sy ny faritra analanjorofo ; hita tao ihany koa fitandroana ny filaminana nahitana ny polisy sy ny zandary. Tapaka nandritra ny fivoriana natao fa ny talata 21 novambra 2023 ny fisokafan’ny taom-pihotazana amin’ity taona ity, ka manomboka amin’ny 03ora ny fisokafan’ny sakana fanaon’ny faritra mandritra izany. Hanomboka ny 17 novambra amin’ny 09ora maraina izao kosa ny « guichet unique » entina hanamorana ny fanomanana ny fikarakarana ny taratasy ahafahana manao izany, tafiditra amin’izany alahady sy sabotsy mitatao vovonana ; ka tsy hifarana izany raha tsy ny 22 novambra amin’ny 12ora atoandro izany. Tsy miova ny vola alain’ny fanjakana amin’ny fananoganam-bokatra, na ho an’ny fitaterana izany na ho an’ny taratasin’ny entana. Raha nahatratra 1.200 ariary hatramin’ny 1.500 ariary ny vidiny hakan’ny mpanondrana izany ny taona lasa 2022 ; dia notapahan’izy ireo fa amin’ity taona 2023 ity dia manomboka amin’ny 1.300 ariary ny vidin’izany ary mety hihoatra izany. Nomarihan’ny mpitandro ny filaminana nandritra izany koa fa tokony tsy hikirakira vola be ireo mpanangom-bokatra, fa hampiasa ireny « mobil banking » ireny na irony fifanakalozam-bola amin’ny finday irony. Hisorohana izay fanafihana fanaon’ny jiolahy izany hoy izy ireo. Ankoatra izany dia nambaran’ny GEL fa tsy miova ny sandan’ny lodsia ahondran’ny Malagasy any ivelany, fa mbola manodidina ny 17.500 taonina hatramin’ny 18.000 taonina no ahondrantsika, ka sambo roa no haka izany eto Toamasina. Tsara ny vokatra amin’ity taona ity hoy ny CTHT (Centre Technique Horticole Toamasina) izay mpanara-maso ny fanondranana lodsia.
Malala Didier