# – Ankadifotsy. Mpifoka rongony 10 nosamborina. Omaly, mpifoka rongony tsy latsaky ny folo no nosamborin’ny mpitandro filaminana teny amin’ny faritra Ankadifotsy, eo amin’ny toerana malaza hatramin’izao antsoina hoe « Sanigros ». Tsy fantatra moa na izao marina ny fanoratra ny anaran’io toerana io na tsia. Naharay vaovao ny polisy miady amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina. Nidina teny ry zareo ary izao nahatratra mpifoka rongony izao. Voalazan’ny vaovao fa sokajin-taona isan-karazany tokoa ny an’ireo olona nosamborina. Misy tena mbola kely, tsy ampy taona. Ao koa ireo efa lehibe ary efa zatra an’io toerana io hifohana rongony.
nangonin’i r.s.