- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversNanompa mpitsara : Nifona tao amin’ny fitsarana vao afaka

Nanompa mpitsara : Nifona tao amin’ny fitsarana vao afaka

Tsy nampoizin’ilay rangahy mpamily mihitsy ity olona novingavingainy. Nandeha taxi ilay mpitsara ary nisy fitohanana be ny fifamoivoizana. Ny olana dia nanome làlana ny fiara izay nangataka izany ilay mpamily taxi. Nahatezitra ilay rangahy taoriana izany ka nahatonga azy namingavinga ilay mpamily fiarakaretsaka. Niakatra ny feo ary tonga tamin’ny fifampikasihan-tànana teo ampovoan’ny arabe. Rehefa nandamina an’izany ilay mpitsara izay tsy niteny velively ny asany, dia izy indray no voavingavinga sy voaompa. Noraisiny an’eritreritra ny laharan’ny fiara roa samihafa. Tsy niandry ela akory fa telo andro taty aoriana dia samy nampiantsoana ireo mpamily roa. Teo vao samy gaga fa hay mpitsara ilay olona nanasaraka. Nanomboka tsemboka tamin’izay ilay rangahy nanompa teo. Natao avokoa ny fifonana sy ny sisa, saingy tsy neken’ilay mpitsara. Natao ny andron’iny ihany ny fitsarana ary efa tena lasa teny Antanimora ny tongotra ilan-drangahy raha tsy ilay mpamily taxi indray no nitsetra azy. Ny niafarany dia nasaina nandoa lamandy ilay rangahy ary nomena sazy mihantona. Toe-javatra toa izao dia mbola taratry ny tsy fisian’ny fifanajana eny amin’ny arabe ary koa ny adin-tsaina ateraky ny fitohanana. Lasa ny olona no mifampikasi-tànana ary manao heloka nony farany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser