- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Dahalo iray maty voatifitra, omby 10 tafaverina

Mandoto : Dahalo iray maty voatifitra, omby 10 tafaverina

Dahalo iray indray no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao Mahabo, kaominina Vasiana rehefa nifampitifitra tamin’ny miaramila.

Sesilany ny fanafihana ao amin’ny distrikan’i Mandoto ao, tsy mikely soroka koa  etsy andananiny  ny mpitandro filaminana miady amin’ny dahalo. Nitrangana fanafihana indray mantsy tao Ambatolahimaro, kaominina Mandoto, ny alin’ny alarobia 12 novambra lasa teo. Dahalo amam-polony mirongo fiadiana no nanafika ny tanàna ka  omby miisa folo no lasany tamin’izany. Nampandre ny toby miaramila 109 tao Mandoto ny fokonolona taorian’ny fanafihana, rehefa tafavory ireo vatan-dehilahy niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana, raikitra ny fanarahan-dia. Vokany, tratran’ny mpanaradia tao atsimon’ny kaominina vasiana ireo dahalo ny andron’io ihany, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, raikitra avy hatrany fifampitifirana ka teo no nahavoa ny dahalo iray ka maty. Nitsoaka nandositra kosa ireo namany ary navelany teo ny omby miisa 9 raha toa ka efa maty nangalany hena teny an-dalana ny omby iray. Tafaverina tamin’ny tompony noho izany ny omby miisa 9.

Fa ankoatra izay, omby fito ihany koa no tafaverina tamin’ny tompony tao Antanambe ny alarobia maraina  io ihany. Tsy fanafihana no nihatra tamin’ireo tompon’omby fa nisy nanao rainizavona, manao fisoko ny omby tao am-bala.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser