- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversTaom-pihotazana lodsia 2023 : Hanomboka anio ny taom-pihotazana…

Taom-pihotazana lodsia 2023 : Hanomboka anio ny taom-pihotazana…

Hanombona anio ny taom-pihotazana lodsia taona 2023, raha ny tapaka nandritra ny fivoriana natao dia anio ny fisokafan’ny taom-pihotazana amin’ity taona ity, ka manomboka amin’ny 03ora ny fisokafan’ny sakana fanaon’ny faritra mandritra izany. Efa nanomboka ny 17 novambra tamin’ny 09ora maraina ny fametrahana « guichet unique », izay efa nifarana ny alatsinainy 20 novambra tamin’ny 12ora, nentina nanamorana ny fanomanana ny fikarakarana ny taratasy nahafahana nanao izany. Tsy miova ny vola alain’ny fanjakana amin’ny fananoganam-bokatra, na ho an’ny fitaterana izany na ho an’ny taratasin’ny entana. Raha nahatratra 1.200 ariary hatramin’ny 1.500 ariary ny vidiny hakan’ny mpanondrana izany ny taona lasa 2022 ; dia notapahan’izy ireo fa amin’ity taona 2023 ity dia manomboka amin’ny 1.300 ariary ny vidin’izany ary mety hihoatra izany. Nomarihan’ny mpitandro ny filaminana nandritra izany koa fa tokony tsy hikirakira vola be ireo mpanangom-bokatra, fa hampiasa ireny « mobil banking » ireny na irony fifanakalozam-bola amin’ny finday irony. Hisorohana izay fanafihana fanaon’ny jiolahy izany hoy izy ireo. Ankoatra izany dia nambaran’ny GEL fa tsy miova ny sandan’ny lodsia ahondran’ny Malagasy any ivelany, fa mbola manodidina ny 17.500 taonina hatramin’ny 18.000 taonina no ahondrantsika, ka sambo roa no haka izany eto Toamasina. Tsara ny vokatra amin’ity taona ity hoy ny CTHT (Centre Technique Horticole Toamasina) izay mpanara-maso ny fanondranana lodsia. Miisa 30 eo ireo mpanondrana nahazo alalana manao izany amin’ity taona ity araka ny fanazavana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici