Saika nisy fitsaram-bahoaka teny Analakely ny zoma teo, raha tsy tonga teny haingana ny mpitandro ny filaminana. Lehilahy iray no voalaza fa avy nanendaka tera-tany vahiny efa mamomamo. Tratran’ny olona teo am-panaovana ny asa ratsiny anefa ity olon-dratsy ity, ka saika raikitra ny famonoana azy. Efa nitangorona be ireo olona. Tafaporitsaka anefa ity farany raha ny voalazan’ireo mpitandro ny filaminana hatrany. Nolazaina mantsy, raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana fa nitsoaka namonjy pôlisy ity olon-dratsy ity, kanefa dia niafina sy nisitrika tao ambany fiara izy. Rehefa raikitra ny fifanenjehana dia noraisim-potsiny tao ny lehilahy. Nibaboka ny asa ratsy nataony ity olon-dratsy ity ary naverina ireo entana lasany.
m.L