- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Mpanendaka sy mpivarotra amoron-dàlana mpiray tsikombakomba, voasambotra

Analakely : Mpanendaka sy mpivarotra amoron-dàlana mpiray tsikombakomba, voasambotra

Manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy ireo pôlisy, entina hamongorana ireo tontakely sy mpanao sinto-mahery eny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny. Ny zoma hariva teo, mpanendaka rain-dahiny sy ramatoa mpivarotra amoron-dàlana, mpiray tsikombakomba amin’ireo tontakely no voasambotry ny pôlisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany etsy Analakely. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, vao avy nanendaka mpivady mpanao « livraison »-na hena, teo Analakely, ny roalahy ny maraina io. Firavaka volamena milanja 70gr, mitetim-bidy any amin’ny 8 tapitrisa ariary mahery tany no lasan’ireo jiolahy, niampy vola 2 tapitrisa ariary saika harotsaka any amin’ny banky, no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Ankevitry ny efa notilian’ireo olon-dratsy hatramin’izay ireto mpivady ireto, raha ny fanazavana hatrany. Tamin’io fotoana io anefa vao nampiharin’ireo mpanendaka ny asa ratsiny izy ireo taorian’ny tsipy teny, mikasika azy ireo avy amin’ny sasantsany amin’ireo mpivarotra amoron-dalana ; izay raha ny voalazan’ny mpitandro ny filaminana hatrany, dia isan’ny mpiray tsikombakomba sy mahafantatra tsara ireo olon-dratsy eny amin’iny faritra iny. Tamin’io maraina io anefa dia sendra ny nahay azy ireto mpanendaka ary tonga ara-potoana teny an-toerana ihany koa ny pôlisy. Tsy nanaiky mora foana ny asa ratsy natao taminy mantsy ilay rangahy, ka namaly ny iray tamin’ireo mpanendaka. Rehefa hitan’ireo manodidina fa mitady ho resy ilay olon-dratsy dia nanampy azy saika hamono ity rangahy ity ihany koa ny ramatoa mpivarotra iray ka niantso ireo namany. Tafaporitsaka araka izany izy roalahy, raha noraisim-potsiny ilay ramatoa namana olon-dratsy. Ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no nahalalana fa nisy fianakavian’ity mpanendaka ity tao anatin’ireo olona ireo, ka io nanondro ny toerana nisy azy any Ankadikely. Voasambotra tany an-toerana ilehio, ny hariva raha mbola karohana kosa ny namany iray hafa. Marihana fa isan’ny rain-dahiny amin’ny asa fanendahana ity lehilahy 28 taona voasambotra ity. Naverina tamin’ny tompony kosa ilay volamena raha mbola tsy hita izay nasian’izy ireo ny vola. Hatolotra ny Fampanoavana anio ireo olon-dratsy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser