- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntaninarenina : Nisy nanafika ny BOA, naratra mafy ny mpiambina

Antaninarenina : Nisy nanafika ny BOA, naratra mafy ny mpiambina

Nisahotaka Antaninarenina, indrindra ireo mpisakafo eo amin’ny manodidina “an-dRakala”, toerana fantatry ny mpivoaka alina loatra. Saika nahita mivantana ny fanafihana nataon’ny lehilahy maromaro ireo olona teo an-toerana. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ny asabotsy teo, no nigadona tao amin’ny banky BOA Antaninarenina ny jiolahy. Nandaka avy hatrany ny vavahady fidirana avy aty ambany rihana ary nihazo ny biraon’ny mpiambina. Nodarohan’ireo avy hatrany ny mpiambina telo tao an-toerana. Ny iray izay fantatra amin’ny anarana hoe Rivo Joseph no tena voa mafy ary mbola miady amin’ny fahafatesana aza, rehefa nokapohina mafy tamin’ny fitaovam-piadiana ny lohany. Tamin’ny fotoana nandalovana dia mbola nifatotra ny tanany ary ary hita teo antsisin’ny arabe ny tenany; izay efa mihosin-drà sy tsy mahatsiarotena intsony. Nahatsikaritra an’io ny olona ka nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany. Ireo pôlisy teo Ambohitsorohitra no tonga voalohany niaraka tamin’ny namany avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborin-tany voalohany. Tsikaritra teny an-toerana koa ny UIR sy ny SAG; izay vetivety foana dia tonga ary nanao fisafoana. “Tsy fantatray ny isan’ireo jiolahy. Tsy hitanay ihany koa ny tena fandehan’ny fanafihana, satria izahay dia avy hatrany dia nodarohina ary nofatorana. Nahavita nitsoaka ihany izahay roalahy fa i Rivo Joseph no tavela teo, ka nanamparan’ireo olon-dratsy ny habibiany” raha araka ny fanazavan’i Rabarioely Parfait, 60 taona, mpiambina ihany koa ny BOA Antaninarenina. Tao amin’ilay efitrano misy ny fitoeram-bola an’ny “Guichet Automatique” na GAB no tena nokendren’ireo olon-dratsy. Raha ny tsikaritra teny an-toerana anefa dia tsy voavahan’ireo izany. Omaly dia nomarihan’ny tompon’andraikitry ny pôlisy fa, tsy nisy na inona na inona lasan’ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana. Tsy voavaha ilay efitrano ary na voavaha aza dia sarotra amin’ireo mpanafika ny hibata ialy “coffre-fort”. Ny famahana azy moa izany dia efa naman’ny tsy azo eritreretina. Na izany aza anefa, mampametra-panontaniana ihany ny fomba nahafantaran’ireo ny toerana misy ilay fitoeram-bola. Manarak’izany, mahafantatra ny jiolahy fa tsy voavaha velively raha “coffre-fort” izany. Saingy mbola ninian’ireo natao ihany ny fanafihana. Mbola manaitra ny saina ihany koa izany. Resaka fanafihana ihany dia fantatra koa fa nisy nanafika ny mpaka vola an’ny Airtel teny Ivato. Roalahy mitondra “scooter” ary mitam-basy no nanafika. Lasan’ireo hatramin’ilay môtô raha araka ny fanazavana azo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser