Mahatratra eo amin’ny 10.000 isa ireo “bois de roses “miparitaka amin’iny tapany avaratry ny distrikan’i Tôlagnaro iny tao anatin’ny fotoana fohy. Izany dia nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ho solom-bavambahoaka Araka ny vaovao marim-pototra voaray tamin’ireo mponina tsara sitra-po amin’iny dia toerana maromaro, manomboka ao amin’ny kaominina ambanivolon’ IIaboakoho, mandalo an’i Manambato ka mipaka hatrany Manantenina, (efa manakaiky ny distrikan’i Vangaindrano). Saika ireo mpivelona amin’ity afera fanodinkodinana harem-pirenenana ity no voatonontonona amin’izany. Misy mihitsy aza anaran’olona maromarono. Raha tsorina, ireo andian’olona efa nivondrona ao amin’ny “reseau” na tambajotra-na “bois de roses” avokoa izy ireo. Sambo kely vitsivitsy mijanona manakaiky ny moron-dranomasina (araka ny loharanom-baovao azo antoka hatrany) no mitatitra ireto harem-pirenena ireto. Ireo mpiandriaka na mpitondra lakana any an-toerana no voalaza fa misahana ny fitaterana ny hazo ao anatin’ny sambo.
Rom Farady