- Publicité -
mardi, mai 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmpahateza Ambohipo : Milaza ho « contrôleur des domaines » nisoloky amin’ny varotra tany

Ampahateza Ambohipo : Milaza ho « contrôleur des domaines » nisoloky amin’ny varotra tany

Very fanahy mbola velona ity lehilahy iray noho ny fisolokiana nahazo azy raha nikasa hividy tany ny tenany. Ny taona 2017 no nanomboka ny raharaha. Nikasa hividy tany ity lehilahy ity no nihaona tamina ramatoa nilaza fa contrôleur des domaines ary manana tany mirefy 2a 31ca amidy izy. Nilaza ity farany fa amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ny tanim-panjaka azy eo anivon’ny boriboritany faharoa dia mora ny hikarakarany ny fivarotana izany. Mbola tsy titré sy borné anefa io tany ao Ampahateza-Ambohipo io tamin’izany ka “promesse de vente” teo anatrehan’ny notaire no natao. 23.100.000 ariary no vidin’ny tany voalaza tao anatin’io “promesse de vente”, izay efa nalohan’ity lehilahy ity avokoa tamin’ny fotoana nanaovana izany taratasy izany. 2 taona kosa no fe-potoana hikarakarana ny taratasin’ny tany rehetra araka ny nifanarahan’ny roa tonta ka rehefa vita izay fe-potoana izay no hatao ny “acte de vente”. Teo anelanelan’io 2 taona io ihany koa dia nivarotra am-pahan-tany mirefy 150m2 hafa indray tamin’ilay lehilahy ihany ilay ramatoa ka 15.000.000 ariary ny vidiny naloa. Tsy nisy taratasy natao kosa tamin’ity faharoa ity fa fifampitokisana no nisy. Rehefa vita anefa ny 2 taona nifanarahana ary vitan’ilay ramatoa ny taratasy rehetra mahakasika ny tany dia nilaza izy fa tsy tapa-kevitra ny hivarotra ireo tany indray. Nangataka noho izany ilay lehilahy ny mba hamerenana ny volany ny taona 2019. Ny volana janoary 2019 hatramin’ny oktobra 2019 no nilaza ilay ramatoa fa hamerina ilay vola, tapitra ihany anefa io fotoana io fa tsy nomeny ny volan’ilay lehilay. Nanampa-kevitra ny hitory ary ity farany nefa tsy nahitam-bokany izay. Tsy nijanona hatreo anefa, fa nampiseho taratasy hosoka ilay ramatoa milaza fa 60.000.000 ariary ny vidin’ny tany. Nilaza izy araka izany fa mbola ananany vola ilay lehilahy araka io taratasy hosoka nolazaina fa nosoniavin’ny roa tonta sy vavolombelona iray, izay tsy iza fa renin’ilay ramatoa ihany. Napetraka teny amin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) io fitoriana faha-roa izay fanaovana hosoka no votoatiny. Nalefan’ny PAC tany amin’ny sampana ady heloka bevava an’ny zandarimariam-pirenena ny raharaha avy eo. Mbola nanao ny hafetseny ihany anefa ilay ramatoa ka nametraka fitoriana an’ilay lehilahy ihany koa. Rehefa antsoina hatao fanadihadiana anefa ity farany dia tsy namaly ny antson’ny zandary ka nanomboka teo dia nihitsoka tsy misy tohiny ny raharaha.

T.M

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici