Avy nanafika tamin’ny toerana iray ilay jiolahy dia mbola tsy afa-po ihany, na koa mety hoe nahazo tsirony angamba, ary dia mbola nizotra tamin’ny toeran-kafa indray hanohy ny asa ratsiny. Saingy ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra. Diso kajy tanteraka raha nanafika tokantrano iray tao Maevatanana. Tokantrano izay zandary ny loham-pianakaviana tao ary tsy vitan’izay fa zandary manana basy. Vokany, sady tapaka ny tànana no maty voatifitra. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo no nitranga ity fanafihana niafara tamin’ny fahafatesana ity. Rehefa nosavaina ny akanjon’ilay jiolahy dia mbola nahitàna finday iray. Rehefa nohamarinina dia nisoratra tamin’ny ramatoa iray monina ao amin’ny fokontany Anosikely-Avaratra, ao Maevatanàna ihany. Koa satria zandary mpanao fanadihadiana ilay notafihana, tsy ela dia fantatra fa olona vao avy notafihiny koa ny tompon’ilay finday. Nampahafantarina azy ny zava-misy rehefa fantatra ny momba azy ary dia nanamafy ilay ramatoa fa vao avy notafihan’io jiolahy io tao an-tranony koa. Naterina any amin’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly ao an-toerana ny razana ary nanaovana antso avo tamin’ny haino aman-jery izay mety ho fianakaviany mba haka izany. Tsy misy taratasy nahafantarana azy, hany ka tsy hita izay fomba mety hampandrenesana ny fianakaviany. Na izany aza, mahavariana ihany ny fahasahian’ity jiolahy zay ratsy fiafara ity. Mety tsy azony an-tsaina ve fa mpitandro ny filaminana ilay notafihiny, sa kosa ny fahafantarany an’izay mihitsy no vao mainka nandrisika azy? Diso tanteraka ilay fanapahan-keviny ary nitarika azy any amin’ny tsy azo ihodivirana dia ny fahafatesana izany. Matin’ny zavatra tiany…
D.R