- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -

Tapatapany

# Zazalahy kely iray, vao folo taona monja, no maty natelin’ny ranomasina teo amin’ny « village tourisitique » tao Mahajanga. Nifamonjen’ny olona ihany ny fampiakarana azy an-tanety sy ny fanaterana azy teny amin’ny hopitaly manara-penitra saingy tsy tàna intsony ny ainy. Natao ny antso avo omaly mba hangalàn’ny fianakaviany ny razana ao amin’ny tranom-paty. Betsaka ihany izay maty teo amin’io toerana io izay.

# Teo Ampasampito, omaly, tovovavy iray indray no voaendaka finday tao anaty taxi-be. Nilalao finday izy tao anatin’ilay fiara fitaterana. Teo Ambohijatovo, nisy roa lahy niakatra ilay taxi-be ary nanambana azy antsy izay nafenina ao anaty akanjo. Tsy nisy azo natao ilay tovovavy no sady tsy afaka niantso vonjy mba ho fiarovana ny ainy. Teo Ampasampito, rehefa nidina an’ilay fiara fitaterana ny jiolahy izay vao afaka niantso vonjy ilay tovovavy. Tsy nisy nihetsika toa ny mahazatra ny olona.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici