- Publicité -
lundi, janvier 19, 2026
AccueilFaits-DiversGascar Fenosoa : Voaantso eny amin’ny zandary Fiadanana

Gascar Fenosoa : Voaantso eny amin’ny zandary Fiadanana

Taorian’ireo sendikaly roalahy, ny filohan’ny Seces (sendikan’ny mpampianatra mpikaroka) sampana Tanà sy ny Randrana sendikaly, voaantso sy natao famotorana teny anivon’ny sampana misahana ny ady amin’ny heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenana dia anjaran’ny mpanao gazety, Gascar Fenosoa indray no hampiantsoana eny Fiadanana. Saika nitovitovy hatreto ny vesatra niampangàna azy ireo : fiantsoana miaramila hikomy, raha niampy fanohintohinana ny filaminana anatiny ny firenena ny an’ireo filoha sendikaly roalahy.

Omaly no nivoaka ity taratasy fampiantsoana ny namana mpanao gazety ity avy eny anivon’ny zandary ity araka ny laharana faha-900-SRC/2.Conv, izay voasonian’ny Lehiben’ity sampandraharaha ity, ny Kôlônely Tahina Ravelomanana. Raha ny voarakitra ao anatin’izany taratasy fampiantsoana azy izany dia voalaza fa olona ahiahiana amin’izay resaka fiantsoana miaramila hikomy izay ny tenany, ka tokony ho tonga haingana eny anivon’ity sampan-draharaha ity, aorian’ny fotoana handraisany izany taratasy izany. Izany hoe, raha omaly no voaray izany taratasy fampiantsoana azy izany dia mety ho anio izy no hanantona eny.

Andrasan’ny rehetra araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha sy izay ho fanapahan-kevitry ny Fampanoavana indray aorian’izao famotorana savaranando eny anivon’ny zandary izao. Mety fanapahan-kevitra mitovy tamin’ny nomena ireo filoha sendikaly roalahy ve ? Raha tsiahivina mantsy dia nahazo nody izy ireo saingy natao teo ambany fanaraha-mason’ny Fitsaràna, mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo, amin’ny talata ho avy izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici