Amin’ny andro antoandrobe nanahary no nanafika ny jiolahy tetsy Ambalavao-Isotry, omaly. Mpivarotra mpambongadiny ary mivarotra entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro no norobain’ny telo lahy mitazona basy sy sabatra. Ilay ramatoa tompon’ny toeram-pivarotana, izay avy ao an-tranony ka saika hihazo ny fivarotana, no nandrasan’ireo olon-dratsy tamin’ny sabatra. Nalaina ny sakaosy nisy volana teny aminy. Tsy afa-nanoatra ilay ramtoa satria voarahona tamin’ny sabatra maranitra teo amin’ny tendany. Rehefa azo izany dia nitsoaka sady nanapoaka basy ireo telo lahy. Raha ny fanamarihana azo dia basy PA no nampiasan’ity andian’olon-dratsy ity. Tsy mbola voafaritra kosa ny vola lasa nandritra io fanafihana io. Nisy lehilahy iray izay miasa eo anivon’ity toeram-pivarotana ity mba niezaka ny nanohitra ny mpanafika ihany. Saingy notifirin’ireo avy hatrany izy ary raha nisy kely foana dia voan’ny bala. Tany amin’ny tafo no niantefa ny bala hany ka mba tsy naninona ilay lehilahy. Fanintelony izay no nisy fanafihana tamin’ny andro antoandro teo Ambalavao Isotry tamin’ity taona ity. Ny voalohany dia mpivarotra “friperie” iray teo an-toerana no nitsofohan’ny olon-dratsy ary ramatoa iray handeha hividy entana tao no notifirin’ireo olon-dratsy mba hangalàna ny vola teny aminy. Torak’izany ihany koa, mbola teny an-toerana hatrany no nisy an’ilay raim-pianakaviana nisy nitifitra teo an-tokotaniny raha sendra mba nivoaka kely hamonjy ny trano fisainana. Maty tsy tsa-drano izy kanefa dia tsy nisy na inona na inona nalain’ireo olon-dratsy teny aminy. Nandeha be ny resaka tamin’io fa ny ainy mihitsy no nofofoina. Midika izany rehetra izany fa toerana iray isan’ny mbola isian’ny fanafihana hatrany eny Ambalavao-Isotry, eny fa na dia be olona hatrany aza eny an-toerana.
D.R